CAN 2023

Tsy misy ekipa kely intsony


  • Talata 16 Janoary 2024

Hiady ity CAN 2023 ity raha ireo vokatra voalohany no jerena.

Horohorontany mihintsy aza no niseho tao Abidjan satria resin'ireo Atsantsa Manga dia ny Ekipam-pirenenn’i Cap Vert tamin'ny isa 2 noho 1 ny Ghana an'i Inaki Williams sy Jordan Ayew. Azo atao ihany izany ireto Kintana Mainty ireto ary vaovao tsara ho an'ny Barea izany satria tsy atahorana intsony i Ghana. Raha ao amin'ny Vondrona misy ny Barea amin'ny fifanintsanana amin'ny Amboara eran-tany dia Mali sy Comores sisa no mety mahasakana ny lalan'ny Barea. Fa raha hiverena ny CAN dia mbola nivoaka sempotra koa ny Egypte nanoloana ny Mamba avy atsy Mozambika. Efa nitarika 2 noho 1 aza moa ireto farany vao nomen'ny mpitsara penalty ny Pharaons ka matin'i Mohammed Salah nefa efa tany amin'ny minitra faha 97. Efa tena tsy rariny nefa ho hita ihany ny tohiny fa ny ahafantarana fa nahantona ilay moitdara no midika fa voasazy izy. 2 noho 2 moa ny nisarahan'ny toa tonta fa na izany aza dia midika izao fa tsy misy ekipa madinika izany intsony.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT