CAN 2023

Tafita i Angola sy Nigeria


  • Alatsinainy 29 Janoary 2024

Nangoron-damba ny Camerounais an'ingahy Samuel Eto's

araky ny efa nampoizina. Tsy nahita nafitsoka mihitsy i Rigobert Song fa ohatra an'ireny mpanazatra lany bala ireny. I Nigeria anefa dia ampy traikefa satria efa ireo tompondaka eran-tany U17 ireo tafaraka ireo ohatra an'i Victor Osimhen sy Lookman. Ity farany ity rahateo no nampiditra ny baolina roa matin'ny Nigeria raha tsy nisy atokona mihitsy ny Liona izay lasa azo folahina fa tsy toy ny anarany (36 ; 90). Izao no vokany ho an'i Cameroun rehefa atao akamakama ny fitantanana. Lasa tezitra ireo mpanohana ary lasa mahita hoe tsy mety ny niantsoana an'i Vincent Aboubakar izay milalao any amin'ny klioban'i Besikitas sy Maxim Choupo-Moting izay any amin'ny Bayern. Teo amin'ny lalao voalohany indray dia tena nanjaka tanteraka ny Angola. Tena biby tsy niady hany ka nataon'i Gelson nahita. Nanao poa-droa ity mpanafika izay milalao ao Qatar ao amin'ny klioba Al-Wakral. Io isa 2 noho tsy misy io no netina niala sasatra. Saingy tsy nanova n'inona ny tetika nomanin'ny Namibia teo ampialana sasatra fa dia mbola ny Angola ihany no nampiditra ny baolina fahatelo tamin'ny alalan'i Mabulubo.Nandresy 3 noho 0 ny Angola ary dia hihaona amin'i Nigeria izany eo amin'ny ampahaefa-dalana.Lalao izay mety tsy miady ihany satria tena mafy ry Osimhen sy ny namany ireto. Asa aloha fa mety misy mpitsara mamadika ny tantara ihany koa.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT