CAN 2023

Tafakatra ny Bafana Bafana


  • Alakamisy 01 Febroary 2024

Nahazera tendrombohitra i Afrika Atsimo omaly raha naharesy ny Maroc tamin'ny isa 2 noho 0.

Tsy nisy dinika fa dia nataon'ny Afrika Atsimo amin'ny fanaovana azy ka nivoaka sempotra ny Lionan'ny Atlas. I Évidence Makgapo no nanokatra ny isa (57) ary tany amin'ny fanalavam-potoana no nanampy isa indray ny Bafana Bafana tamin'ny alalan'ny kapiteniny Mokoeno izany mpilalao ny Witts University FC. I Mokgopa kosa dia milalao ao amin'ny Orlando Pirates raha avy amin'ny Mamelodi Sundowns ny maro amin'ireo ao amin'ity ekipa ity Porofo izany fa rehefa tsara ny fifaninana ao an-toerana dia mahita vokatra. Raha hiverenana ilay lalao dia tsy nahatsindry ho ny Marokanina hany ka na i Sofyan Amrabat izay mpilalaon'ny Manchester United aza dia nahazo karatra mena. Tsy nijanona teo fa nenjehina hatramin'ny mpitsara, ilay Gabonais Pierre Ghislain Atcho. Toy izao ny fandaharan-dalao amin'ny ampahaefa-dalana. Zoma 2 febroary 8 ora alina ; Nigéria # Angola 11 ora alina : Guinée # RD Congo Sabotsy 3 febroary 8 ora alina : Mali # Côte d'Ivoire 11 ora alina : Afrika Atsimo # Cap Vert.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT