Sport

CAN 2023 Nibaby kitra indray ny Barea !


  • Talata 28 Martsa 2023

Raha tena manakambo i Nicolas Dupuis dia tokony miala amin'izay fa tena manala-baraka ny zavatra asehony. Resy indray mantsy ny Barea omaly tany Douala nanoloana ny Centrafrique.

Resy 2 noho 0 izany hoe nidirana baolina dimy tao anaty fihaonana indroa. Tena mahakivy satria tsy ireo tokony hijoro indray no nataon'i vazaha toy ny niverenan'i Adrien Melvin izay fantatra fa "goal sardine" araky ny fiteny. Mpiandry tsatokazo milalao amin'ny diviziona fahadimy any Frantsa ve amin'izay indray dia mbola i Jeremy Morel no eo aloha izay efa manalavazy any Montagnarde (Nat 3) sisa . Ny mba nahametimety ny lalao omaly aza dia noho i Berajo sy Dadafara ary Tantely tany aoriana. Ny tany aloha moa tsy tenina intsony fa efa fantatra fa raha mbola ity Hakim Abdallah ity dia tsy hisy baolina tafiditra izany. Lalao enina izay no nataony niaraka tamin'ny Barea fa dia tsy mbola nahafaty na indray mandeha aza ity milalao any Belzika ity saingy diviziona faharoa no misy ny Virton hilalaovany. Ariary be. Izay no mahafehy ity Abdallah ity nefa dia tsy avotsitr'i Dupuis mihitsy. Fantany tsara anefa ny miseho eny ambony kianja raha tafaraka i Jean Yves sy Rakool ary i Tsiry. Ity farany aza moa nijoro ihany saingy aty amin'ny ilany havanana tsy mahazatra azy.. Ny tao ampovoany indray dia mbola i Amada ihany na dia naratra aza .Nanampy trotraka koa i Zotsara izay miodinkodina fotsiny. Isika anefa manana an'i Tendry sy Lalaina izay tena nampiaky volana an'i Faneva Ima Andriatsima ny fahaizany mameno ny kianja ary dia mbola mamono baolina sy miaro-tena koa aza .Ny resaka no mandeha hoe diso kajy ny Mouloudia d'Alger fa tokony ity Lalaina ity no nalaina. Taloha mantsy dia nilaza i Dupuis fa tsy ampy traikefa eo amin'ny lalao iraisam-pirenena ny toto tanana. Fanamarihana izay tsy mitombona intsony taorian'iny Alzeria nahazoana ny laharana fahatelo iny. Ireo tsy nanalana tsy nanampiana nefa dia tsy hain'i Dupuis ny nandahatra azy raha tsy nisy zavatra hafa tany ambadika toy ny fomba namerenana indray an'i Melvin. Bizna no betsaka. Ny fanontaniana dia ny hoe mbola i Dupuis ihany ve no eo amin'ny lalao hihaonana amin'i Ghana eo Mahamasina sy Angola any Luanda ? Ny olona ilay tena tsy misorona mantsy ato efa miantsoantso mafy hoe aiza i Roro Rakotondrabe. Tena marina...
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT