CAN 2023

Mafy ilay Mali


  • Alakamisy 18 Janoary 2024

Tena mafy be ilay Mali. Ny fanontaniana tonga ao an-tsaina sahady

dia ny hoe mba mety ho resin'ny Barea ve ireto satria samy iray vondrona ao amin'ny fifanintsanana hanao ny Amboara eran-tany. Ny tsy hitovozany amin'ny Barea aloha dia matihanina daholo ireo mpilalao. Resin'i Mali 2 noho 0 ny Bafana Bafana avy atsy Afrika Atsimo. I Adama Traoré izay mpilalaon'ny Hull City, diviziona faharoa any Angletera, no nanokatra ny isa. Nampian'i Lassane Sinayoko izany enina minitra taty aoriana. Ity farany moa dia miaraka milalao amin'i Rayan Raveloson ao Auxerre. Ny tena herin'i Mali dia ny fahaizany miaraka satria efa mpilalao mifankafantatra daholo ny ankamaroany. Ny azo antoka aloha dia tsy mora no miandry ny Barea amin'ireto Mali ireto. Raha mbola miampy an'i Comores dia tena mbola sarotra no miandry raha tsy hoe manaiky ny ho avy daholo ireo mpilalao avo lenta toa an'i Andy Pelmard, Francis Coquelin ary Ludovic Ajorque izay efa mpianatr'i Rado Rasoanaivo tany Tampon. Tsy vitan'ny hoe amana amin'i Rado Rasoanaivo ny dadany.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT