CAN 2023

Fantaro ireo hanao ampahavalon-dalana


  • Zoma 26 Janoary 2024

Tonga amin'ny ampahavalon-dalana ny CAN 2023. Avotra ihany koa ny

Côte d'Ivoire taorianan'ny faharesen'ny Zambia nanoloana ny Maroc. Efa nanao antso avo i Didier Drogba mba hofenoina ny kianja ary mba hanohana an'i Maroc ny mponina Ivoirianina. Nandaitra izany satria nandresy 1 noho 0 i Maroc ary dia nody ny Chipolopolo zambianina. Tsy azo lazaina ho tafavoaka ny ala anefa i Côte d'Ivoire satria dia ho sendra ny taolana indray ny alatsinainy izao raha hidona amin'i Sénégal. Isan'ny baolina tena hiady koa ny fihaonan'ny Nigeria sy Cameroun rahampitso. Toa izao ny fandaharan-dalao amin'ity ampahavalon-dalana ity. Sabotsy 27 janoary 8 ora alina : Angola # Namibia 11 ora alina : Nigéria # Cameroun. Alahady 28 janoary 8 ora alina : Guinée Équatoriale # Guinée 11 ora alina : Egypte # RD Congo. Alatsinainy 29 janoary 8 ora alina : Cap Vert # Mauritanie 11 ora alina : Sénégal # Côte d'Ivoire. Talata 30 janoary 8 ora alina : Mali # Burkina Faso 11 ora : Maroc # Afrika Atsimo.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT