Sport

CAN 2023 Fahagagana raha ho tafakatra ny Barea


  • Talata 22 Martsa 2022

Efa amboarina dieny izao izany aloha ny saina ho an’ny Malagasy rehetra, indrindra, ireo mpankafy ny baolina kitra Malagasy, raha ny mikasika ny faidianna ny amboaran’i Afrika manaraka na CAN 2023 no resahana.

 Somary efa nampoizina ihany manoloana ny korotambe tsy mety miravina eo anivon’ny federasionina Malagasy ny baolina kitra fa tsy hisy ho vanona daholo ireo fikasana hanao lalao ara-pirahalahiana ho fanomanantsika azy io. Na ilay tokony ihaonana amin’I Afghanistan amin’ny alakamisy izao aza moa dia iny voalaza iny koa fa nofoanana noho ny resaka fitandroana ny ain’ireo mpilalao noho ity firenena ity tsy dia lavitra an’i Okrainina izay ianjadian’ny fanafihan’I Rosia amin’izao fotoana izao. Antony izay toa tsy dia tena maha resy lahatra loatra ary mampametra-panontaniana hoe raha izany tokoa no antony, angaha moa vao omaly ilay adin’I Rosia sy Okrainina? Tsy efa tokony ho andro maro na am-bolana mihitsy ve no nitady ekipa hafa raha hanao antony fampiatoana lalao noho io tranga io ihany? Foana daholo izany aloha ny tokony ho fitsapana fanomanana rehetra na ny tamin’I Togo na Cap vert na Afghanistan sy izay nokasaintsika rehetra raha toa ka efa miomana fatratra kosa ireo firenena afrikanina hafa. Cote d’Ivoire hihaona amin’I Frantsa sy Angletera. Burkina faso amin’I Belzika. Afrika atsimo koa hihaona amin’I Frantsa. Ho antsika kosa dia FMF 1 hihaona amin’ny FMF 2, hoy ny mpamakafaka ara-panatanjahantena, Mirado Rakotoharimalala izay. Lalao izay mbola tsy fantatra aloha hatreto izay hahavitan’ity farany izay efa nanombohana ela ity fa raha ny mikasika ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra kosa dia azo antoka fa fahagagana raha ho tafakatra ny Barea.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT