Sport

CAN 2023 Afaka ihany koa i Guinée


  • Alatsinainy 29 Janoary 2024

Hiady ny ampahefa-dalana i Guinée rehefa nandresy ny Guinée Équatoriale omaly alina.

Tany amin'ny fotoana fanampiny (90+8) vao vaky ny atody. Nahazo penalty anefa ny Guinée Équatoriale (69) saingy tsy matin'i Emilio Nsue izany fa nidona tamin'ny tsatoby ny dakany ary nivoaka. Taloha kelin'io anefa dia nahazo karatra mena ny mpilalaon'ny Guinée Équatoriale, Bikoro. Nanomboka teo dia niaro-tena sisa no nataon'ny Nzalang Nacional, anarana hiantsoana ny ekipam-pirenen'i Guinée Équatoriale. Nanindry noho izany ny Sili Nacional ary nahita io baolina matin'i Bayo izay tolotra tsara avy any amin'i Diakité. Hihaona amin'izay nandresy tamin'ny maraina teo amin'ny RD Congo sy Égypte.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT