Sport

CAN 2022 any Cameroun Sambany tao anatin’ny 42 taona tsy mandefa ny TVM


  • Alatsinainy 10 Janoary 2022

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tany Cameroun omaly 09 janoary ary tsy hifarana raha tsy ny 06 febroary ny dingana famaranana ny fiadiana ny amboaran’i Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra na ny “CAN 2022”.

Firenena Afrikanina 24 no mandray anjara amin’izany, saingy tsy mba isany isika Malagasy noho ny vokatra azontsika tany amin’ny lalao fifanintsanana. Tamin’ny 2019, dia afaka nisitraka mivantana ny lalao niainga avy tany Egypte ny Malagasy, ary fandraisana anjara voalohan’ny Barean’I Madagasikara rahateo iny. Nandeha mivantana tamin’ny fahitalavi-panjakana TVM ny lalao tamin’izany. Efa mahazatra ary afaka nisitraka ny fampitana mivantana foana ny Malagasy hatramin’izay. Na tao anatin’ny harinkarentsika mba netinety kely, na tao anatin’ny krizy samihafa,… tsy mbola nisy CAN tsy nandeha tamin’ny TVM izany raha ny tantara tamin’ny ankapobeny no zohiana. Tsy mbola nisy tao anatin’ny 42 taona izany TVM tsy mandefa CAN izany, hoy ny fanamarihana. Tsy nisy ihany koa ny fitantarana tamin’ny Radiom-pirenena na ny RNM, ka na ny an-tsary izany n any am-peo tsy nisy. Midika izany fa mihemotra isika fa tsy mandroso, ary raha tsiahivina ny fanambin’ireo kandida roa nanao fihodinana faharoa tamin’ny desambra 2018 dia samy nanome toky fa handefa ny sarin’itony fifaninanana goavana itony hositrahan’ny Malagasy. Goavana ary fifaninanana farantampony amin’ny kitra Afrikanina ny CAN, saingy indrisy fa izay mahavidy ny an’ireny “bouquet canal satellite” ireny sisa afaka misitraka. Marihina moa fa ny taona 1974 no nandray anjara voalohany ho an’ny Nosy avy aty amin’ny fari-dranomasina Indianina I Nosy Maorisy ka faharesena telo tamin’ny lalao telo no azon’izy ireo. Faharoa kosa ny Barean’I Madagasikara tamin’ny taona 2019, izay resy teo amin’ny dingana famaranana, ary ny Nosy Kaomoro no mandray anjara amin’ity CAN 2022 ity, ka anio 10 janoary izy ireo no hiakatra an-kianja voalohany, hifandona amin-dry zareo Gabonais. Ity firenena ity aloha izany no solontenan’ny Ranomasimbe Indianina, ary maro ny Malagasy no miray feo ao anatin’ilay hoe: “Alefa Kaomoro” amin’izao fotoana izao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT