Sport

CAN 2021 - Fifaninanam-bondrona Nivoaka ny lisitra hisafidianana ny BAREA


  • Alarobia 30 Oktobra 2019

Navoakan’ny mpanazatra Nicolas Dupuis omaly talata 29 oktobra ny anaran’ireo mpilalao nantsoiny hisafidianana ka handrafitra ny BAREA hifanandrina amin’ny ekipam-pirenen’i Ethiopia etsy amin’ny

 

kianjan’i Mahamasina amin’ny 14 na 15 novambra 2019 ho avy izao sy amin’ny ekipam-pirenen’i Niger any Lagos amin’ny 19 novambra izao eo amin’ny fifaninanam-bondron’ny fahazoana miatrika ny CAN 2021. Manomboka amin’ny 11 novambra ka hatramin’ny 21 novambra izao ny fampivondronana azy ireo. Marihina fa ao amin’ny vondrona K miaraka amin’i Niger sy Ethiopie ary i Côte d’Ivoire no misy ny Barea.

Mpiandry harato : Melvin Adrien, Rakananirina (Nina), Rajomazandry (Joma).

Vodilaharana : Pascal (Bapasy), Thomas Fontaine, Romain Metanire, Jeremy Morel, Théodin Ramanjary, Mario Bakary, Jerome Mombris.

Irakiraka : Ibrahim Amada, Marco Ilaimaharitra, Andriamirado (Dax), Jean Yves R, Abel Anicet, Dimitry Caloin, Lalaina (Bolida), Rayan Raveloson, Baggio Romario.

Lohalaharana : Faneva Ima, Charles Carolus, Tsilavina Martin Njiva, Voavy Paulin, Gladyson Henry.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT