Sport

CAN 2021 any Kameronina Hatao ny 9 janoary-6 febroary 2021


  • Alakamisy 16 Janoary 2020

Tapaka omaly alarobia 15 janoary tamin’ny fivoriana nataon’ireo mpitarika ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra (CAF)

 

tany Kameronina fa ny 9 janoary-6 febroary 2021 ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ny dingana famaranana ny CAN 2021. Io no niraisan’ny fanjakana Cameronais sy ny CAF tarihin’ny filohany Ahmad niaraka tamin’ny komity mpanomana ny CAN na ny COCAN. Noho ny fotoanan’ny orana any an-toerana mandritra ny volana jona sy jolay, dia tsy ho azo tanterahina ny CAN fa tsy maintsy haroso ny volana janoary tahaka ny teo aloha indray. Mialoha ny CAN 2021, dia ny 4-25 aprily amin’ity taona 2020 ity no hatao any Kameronina ihany ny CHAN 2020 na fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena tsy misy mpilalao mpila ravinahitra. Resin’i Namibie teo amin’ny dingana farany moa ny Barean’i Madagasikara ka tsy ho anisan’ny mpifaninana, raha toa ka efa any amin’ny CAN 2021 kosa ny ilan-tongotr’i Madagasikara izay mitarika ao amin’ny vondrona vondrona K amin’ny alalan’ny isa 6, raha toa ka 3 avy ny an’i Côte d’Ivoire sy Kenya ary 0 ny an’i Niger.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT