Sport

CAN 2021 Ahemotra amin’ny 2022


  • Alarobia 01 Jolay 2020

Efa ela no nandinihana ny mety ho fipetraky ny fanatanterahana ny tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra andiany manaraka tao anatin’izao ahamehana ara-pahasalamana vokatry ny COVID 19 izao ho an’ny kaonfederasionina afrikanina na CAF.

 

 

Tapaka omaly taorian’ny fivoriana an-tranonkalan’ireo komity mpanatanteraka na “Webinaire” fa tsy misy azo atao afa-tsy ny tena fanemorana amin’ny taona 2022 ny fiadiana izay ho tompondakan’I Afrika manaraka. Tena ahemotra amin’ny 2022 izany ny CAN 2021, raha atao amin’ny fomba filaza somary mivazivazy. Mikasika ny ekipam-pirenena Malagasy na ny Barea manokana moa na dia eo aza izany dia mbola mitohy hatrany ny fihezahana manatevina ny traikefan’ireo mpilalao efa eo saingy mitohy toy izany koa ny fikarohana ireo mpilalao vaovao hanatsarana izany sy ho mpandimby ihany koa.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT