Sport

CAN 2019 Voafidy ho mpanazatra mendrika i Nicolas Dupuis


  • Alakamisy 18 Jolay 2019

Rahampitso zoma 19 jolay ny famaranana eo amin’ny Sénégal sy Algérie amin’ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika eo amin’ny baolina kitra na ny CAN 2019.

 

Mitohy hatrany kosa ny fanoratana tantara ho an’i Madagasikara na efa raraka tany amin’ny dingan’ny ampahefa-dalana aza. Azontsika tamin’ny alalan’ny mpanazatra Nicolas Dupuis indray mantsy ny amboara ho an’ny mpanazatra mendrika indrindra tamin’iny CAN iny na ny “Trophée OFC”. Nisy ny karazana fifidianana nataon’ny Orange Foot-ball Club tamin’ny alalan’ny tranonkala, ka anisan’ny voasafidy ho mpifaninana ity mpanazatra ny Barea ity. Efatra izy ireo no nifaninana dia ny mpanazatra an’i Algérie djamel Belmadi nahazo ny laharana faharoa, i  Aliou Cissé mpanazatra an’i Sénégal no faha-3 ary ny mpanazatra an’i Tonizia Alain Giresse kosa no faha-4. Voasokajy ho mpanazatra tsy manam-paharoa noho ny fahaiza-manao sy ny teknika nentiny niatrika ity fifaninanana goavana ity i Nicolas Dupuis. Nanome aina tanteraka ny CAN 2019 tamin’ny alalan’ny Barea na teo amin’ny endri-dalao sy ny fampisehoana nentiny na teo amin’ny fampiainana tanteraka ny fifaninanana tamin’ny alalan’ny ekipam-pirenena Malagasy, ka nitarika ny mason’izao tontolo izao hitodika tatsy Egipta.

 

Resin’i Nigeria tamin’ny 1 – 0 omaly i Tonizia tamin’ny lalao famaranana kely ao anatin’ny CAN 2019.Ny Super Eagles Nizerianina izay efa resin’ny Barea 2 – 0 izany no laharana fahatelo amin’ity fifaninanana ambony indrindra amin’ny kitra Afrikanina ity.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT