Sport

CAN 2019 Tonga ilay nandrasana


  • Zoma 21 Jona 2019

Tonga ilay fotoana nandrasana « Jour J », hoy ny fiteny Frantsay, hanombohan’ny fifaninanana avo lenta aty Afrika dia ny CAN 2019 « Afrique des nations 2019 »

 

 

 

hotontosaina any Egypte hanomboka anio zoma 21 jona hatramin’ny 19 jolay 2019. « Na teo aza ny olana samihafa nitranga amin’ny fikarakarana an’ity fifaninanana ity nandritra ny 5 taona katroka izay, hoy ny filohan’ny CAF am-perinasa Ahmad Ahmad nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety tao Le Caire omaly alakamisy 20 jona, dia vonona ny zavatra rehetra hanatanterahana an’ity fifaninanana ity. Faly aho, hoy izy fa mifanatrika eto Egypte hanatontosa ny CAN handraisan’ny ekipa 24 voalohany ny fianakaviamben’ny baolina kitra Afrikanina. Lava sy feno fandripandrika  ny lalana nodiavina, hoy izy. Tsiahivina, hoy ity filohan’ny CAF ity, fa tamin’ny 20 septambra 2014 ny ComEx “Komity mpanatanteraky ny CAF tamin’ny fotoanandrony no nanapaka fa hotanterahina any Cameroun sy any Côte d’Ivoire ary any Guinée ny CAN 2019, 2021 ary 2023. Nofinofin’ilay Cameounais Issa Hayatou hamaranana am-pahamendrehana ny fitantanany ny CAF sady ho fanomezam-boninahitra azy ny CAN 2019  saika natao tany Cameroun saingy tsy nahafeno fepetra teo amin’ny fotodrafitrasa tamin’ny ora farany ity firenena ity ka nafindra any Egypte araka ny fanapahankevitry ny symposium natao tany Maroc tamin’ny jolay 2017 teo ambany fitarihako izay lany tamin’ny martsa 2017. Nanome soso-kevitra an’i Egypte ny hanomana kianja 10 hilalaovana sy kianja 24 fanaovana fanazaran-tena ny COCAN  “Comité d’Organisation CAN”. Tanàna 4 (Le Caire, Alexandrie, Ismaïlia ary Suez) sy toerana 6 hanatanterahana an’ireo lalao 52 no notanan’ny CAF tamin’ny farany. Mpitsara 28 no nantsoina hitantana ny CAN 2019 ary hampiasaina ny VAR manomboka any amin’ny lalao ¼-dalana. Niasa andro aman’alina ny COCAN hahatanteraka ny CAN 2019, hoy Atoa Ahamad, ary heveriko fa efa feno tanteraka ny pitsopitsony hampahomby azy io nefa tsy manakana ny sain-dratsin’ny hafa te hamotika anay izany ary tsy hahasakana azy ireo ho fahombiazan’ny CAN 2019.

 

.Fandaharan-dalao amin’ity faran’ny herinandro ity (ora Malagasy) :

Zoma 21 jona 2019

11ora alina : Egypte # Zimbabwe

Sabotsy 22 jona 2019

05  ora hariva : Rd Congo # Ouganda

08 ora alina : Nigeria # Burundi

11 ora alina : Guinee # Madagascar

Alahady 23 jona 2019

05  ora hariva : Maroc # Namibie

08 ora alina : Senegal #  Tanzanie

11 ora alina : Algerie # Kenya

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT