Sport

CAN 2019 Sénégal sy Algérie no hiatrika ny famaranana


  • Alatsinainy 15 Jolay 2019

Ny Lions de la Teranga avy any Sénégal no ekipa voalohany tafita eo amin’ny lalao famaranana ny CAN Egypte 2019 rehefa nandresy ny Aigle de Carthage

 

avy any Tunisie 1-0 tany amin’ny kianjan’ny 30 jona any Le Caire omaly. 0-0 no nisarahana tamin’ny 90 minitra ara-dalàna, samy tsy nahafaty Penalty iray avy moa ny ekipa roa tonta. Namono tena tao anatin’ny fanalavam-potoana ny mpilalaon’i Tunisie  Dylan Bronn avy amin’ny «Coup Franc » nodakan’ilay Senegaley,  Saivet, Hassen,  teo amin’ny minitra faha-100 –n’ny lalaon’ny roa tonta. Nahazo penality ihany ny ekipa Toniziana teo amin’ny minitra faha-115 saingy rehefa nojerena tamin’ny VAR ny tena zava-nisy marina dia tsy nomen’ny mpitsara indray ilay penality ary dia nijanona 1-0 hatramin’ny farany ny lalaon’ny roa tonta. 

Ny Fennec  Alzerianina kosa izay nandavo Super Eagles avy any Nigeria 2-1 no hikatroka amin-dry Sadio Mané eo amin’ny lalao famaranana amin’ny zoma 19 jolay 2019 ao amin’ny Stade International du Caire any Egypte amin’ny 10 ora alina ora Malagasy. Namono-tena teo amin’ny minitra faha 40 koa i Ekong mpilalaon’i Nigeria ary baolina matin’i Ryad Mahared   teo amin’ny fanampin’ora 90’+5 no fototry ny fandresen’ny Alzeriana. i Tunisie sy Nigeria izany mazava loatra no hiady ny laharana faha-3 amin’ity fifaninanana ity. Lalao  izany ho tontosaina ao amin’ny kianjan’i Le Caire Egypte ny alarobia 17 jolay 2019 manomboka amin’ny 10 alina.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT