Sport

CAN 2019 Lasa izao, nandresy ny BAREA


  • Zoma 28 Jona 2019

Mbola mitohy ny fametrahan’ny Barea Malagasy tantara eo amin’ny fifaninanana CAN « Coupe d’Afrique des Nations » eo amin’ny sehatry ny baolina kitra.

 

 

 

 Nahazo fandresena voalohany ny Barea omaly alakamisy 27 jona 2019 fa naharesy ny Hirondelles avy any Burundi, tao amin’ny kianjan’i Alexandrie any Egypte, teo amin’ny andro faharoan’ny fifanintsanana  ao amin’ny vondrona B. Baolina matin’i Marco Ilaimaharitra tamin’ny “coup franc” teo amin’ny minitra faha-76 no niantoka ny fandresen’ny Malagasy. Voahosotra ho « Homme du match » tamin’ity lalao ity koa i Marco Ilaimaharitra ka nahazo amboara faharoa ho an’ny mpilalao Malagasy. Ambony dia ambony ny fanantenana, ho an’ireo mpilalao sy ny mpankafy baolina kitra ka lasa izao ! Mitombo ny erijika hahalasa lavitra ny Barea amin’ity CAN 2019 ity. Na ireo ekipam-pirenena Afrikanina hafa aza dia manomboka mandray ny Barea ho anisan’ireo atahorana sy mila araha-maso akaiky.

 

Filaharana vonjimaika ao amin’ny vondrona B :

1°- Nigeria nahazo fandresena in-2, manana isa 6

2°- Madagasikara nanao ady sahala 1, naharesy in-1, manana isa 4

3°-Guinée nahazo ady sahala 1, resy in-1, manana isa 1

4°-Burundi resy in-2 tsy mbola manana isa

 

Voka-dalao hafa azo omaly ho an’ny vondrona C  :

Sénégal - Algérie : (0-1)

Kenya - Tanzanie : (3-2).

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT