Sport

CAN 2019 Any Egypte no hotanterahina


  • Alarobia 09 Janoary 2019

Notinapaky ny Komity Mpanatanteraky ny CAF « Confédération Africaine de Football » notarihan’ny filohany, Atoa Ahmad, nivory tany Dakar Sénégal omaly talata 08 janoary 2019 fa any Egypte no hatao ny fifaninanana CAN 2019 (15 jona-13 jolay).

 

 

Nambaran’Atoa Ahmad taorian’ny nanambarana an’izany fanapahan-kevitra izany fa nosafidiana i Egypte manoloana an’i Afrika Atsimo nifaninana taminy ny handray an’ity fifaninanana ity noho ny fahazoana antoka mazava avy amin’ny praiminisitra Ejypsiana ny hanohana ara-bola an’ity hetsika ity na dia eo aza ny tetibola efa nomanina amin’izany. Ry zareo Afrikanina Tatsimo kosa etsy an-kilany dia fantatra fa manana fahasahiranana ara-bola ka tsy ho afaka hanohana an’ity hetsika ity. Fantatra anefa fa samy manana fotodrafitrasa iraisam-pirenena hahazoana mandray fifaninanana izany ny roa tonta. Nambaran’Atoa Ahamad filohan’ny CAF ihany koa fa tsy dia misy atahorana loatra ny resaka fampihorohoroana mety hisy any Egypte amin’io volana jona io. Tahaka an’i Frantsa izay hisehoan’ny resaka fampihorohoana koa ankehitriny nefa mbola hatokisan’ny Fifa handray ny Mondial vehivavy 2019, hoy izy.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT