Sport

CAN 2019 andiany faha-32 I Kenya sy ny Barea no tonga farany tany Egypte


  • Alakamisy 20 Jona 2019

Andro iray mialoha ny hanombohan’ny fifaninanana CAN 2019 hotontosaina any Egypte anio alakamisy 20 jona 2019.

 

 

 

Tamin’ny talata 18 jona teo dia ny ekipam-pirenen’i Kenya sy ny Barean’i Madagascar no nigadona farany tao amin’ny seranam-piaramanidina Mohammed V   any Le Caire Egypte tamin’ireo ekipa 24 handray anjara amin’ny fifaninanana. Fitsenana niavaka no nandraisan’ireo Malagasy any Egypte azy ireo tao amin’io seranam-piaramanidina io nialoha ny nitondran’ny fiarabe voatokana ho azy ireo any amin’ny hotely hipetrahany. Vonona ireo mpilalaon’ny Barea hiatrika an’ity CAN andiany faha-32 ity. Tsiahivina fa amin’ny sabotsy 22  jona izao amin’ny 11alina ora Malagasy no  hiakatra kianja voalohany any Alexandrie ka hikatroka amin’i Burundi ny Barea Malagasy.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT