Sport

CAN 2013 Voasazy ilay mpitsara malagasy


  • Alarobia 30 Janoary 2013

«1er tour de vita» ! Izay no mahafintina ny nanjo an’i Hamada Nampiandraza ilay hany mpitsara iraisam-pirenena, teratany Malagasy, notsongain’ny Kaonfederasiona afrikanina momba ny kitra (CAF), ho anisan’ireo mitsara lalao mandritra ny CAN andiany faha-29, tanterahina atsy Afrika Atsimo amin’izao fotoana izao.

 Fantatra mantsy izao fa natsahatry ny CAF tsy mahazo manohy ny fitsarana lalaon’ny CAN 2013 intsony manomboka eto ity Malagasy hany voafidy hitsara fifaninanana avo lenta ity. Noho ny hadisoana be vava nataony tamin’ny fitsarana ny lalaon’i Alzeria sy Togo teo amin’ny andro faharoan’ny fifanintsanana no voalaza fa nandraisan’ny CAF izao fanapahan-kevitra izao. Nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa 2-0 ry zareo Togoley tamin’io lalao io. Tsy nahafaly an-dry zareo Alzerianina, tarihin’i Vahid Halilhodzic, mpanazatrany anefa io vokatra io, vokatra izay nitarika tany amin’ny fihintsanany rahateo, ka dia nanao fitarainana ry zareo ary voakiana mafy tamin’izany ilay mpitsara Malagasy nitantana ny lalao.

Nambaran-dry zareo Alzerianina fa nitanila ary antoky ny fihintsanany tamin’ny dingana voalohany i Hamada, satria “penalty” roa be izao tokony ho azon’ity ekipa ity no tsy notsofiny fa nojereny fotsiny, araka ny fitarainan-dry zareo. Nanatri-maso ny fihaonana hatramin’ny farany anefa ny filohan’ny CAF, Issa Hayatou niaraka tamin’ny filohan’ny federasion’ny baolina kitra Alzerianina (FAF), Mohamed Raouraoua izay nanao fitarainana avy hatrany tamin’ny CAF ka nahazo rariny. Efa fanindroany ity filohan’ny FAF ity no nanao fitarainana satria tamin’ny lalaon’i Algérie sy Tunisie tamin’ny andro voalohany koa izy dia efa nitaraina tamin’ny fitsaran’ilay teratany Gambianina, Bakary Gassama an’io lalao io.

Lasa lavitra mihitsy aza moa ny ahiahin’ity Alzerianina ity tamin’ny filazana fa mety ho fisian’ny tsikombakomba teo amin’i Amada tamin’ny filohan’ny kaomision’ny mpitsara, i Tarek Bouchamaoui izay teratany tonizianina. Raha ny loharanom-baovao azo antoka, hoy ny mpanao gazety vahiny manaraka ity CAN ity, dia mety hahazo sazy faran’izay henjana ity mpitsara Malagasy ity vokatr’ity fitorian’ny Alzerianina azy ity. Dia tonga hatrany amin’ny CAN tokoa ve ny Kalaky malaza aty Gasikara sa ny olan’i Alzeria sy Tonizia samy avy any Maghreb no entina hatreny ambony kianja ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT