Sport

CAF tarihin’i Ahmad Hanaovan’ny FIFA fanadihadiana lalina


  • Zoma 21 Jona 2019

Namoaka fampitam-baovao iraisana ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra (CAF) ny Federasionina Iraisam-pirenena (FIFA) fa hisy ny fitsirihana lalina na “audit”

 

 

 atao manoloana ny olana samihafa sedrain’ny CAF amin’izao fotoana izao. Isan’ny voatohintohina i Ahmad filohan’ny CAF, izay tratry ny fanadihadian’ny polisy tao Frantsa ny 7 jona teo noho ilay raharaha fanapahana fiaraha-miasa tamin’ny orinasa Alema Puma sy nifanarahana tamina orinasa Frantsay, izay efa nilamindamina. I Ahmad tenany no nanolo-kevitra an’io “audit” io nandritra ny fivoriana notarihiny tao Le Caire Egypte ny 19 jona lasa teo, izay neken’ny komity mpanatanteraky ny CAF avy hatrany mba hahafahana miroso amin’ny fanatsarana sy ny fitantanana mangarahara sy mahomby. Hiandraikitra io “audit” io, izay hatao  haingana io ny Sekretera Jeneralin’ny FIFA Rtoa  Fatma Samoura, izay nomena andraikitra ho delege jeneralin’ny Fifa misahana an’i Afrika mandritra ny 6 volana azo havaozina manomboka ny 01 aogositra. Tsy dia mankasitraka an’io ny filohan’ny UEFA Aleksander Kaferin, izay maneho tsy fifanarahan’izany amin’ny satan’ny FIFA izay ny Sekretera jeneraly no halefa hanara-maso Kaonfederasionina ary misy ny fifampitsabahana andraikitra ankoatra ny fahatsapany ny karazana andraikitra atangorona amin’i Fatma Samoura. Efa Solontenan’ny PNUD teto Madagasikara nandritra ny fitondrana tetezamita izy ary misy milaza fa namana akaikin’i Ahmad.Tantara mitohy ity resaka ity !

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT