Sport

BWB Africa 2022 Voafidy ho mpilalao nivoatra indrindra i Mathias


  • Alakamisy 01 Septambra 2022

Tontosa tany Le Caire - Egypte ny "Basketball Without Borders - BWB Africa 2022", nanomboka ny 28-31 aogositra, nandraisan'i Lova sy Mathias anjara.

Izy mirahalahy ireto no nisolo tena an'i Madagasikara nandritra ity fiofanana naharitra 4 andro notarihin'ireo Kitan'ny Basketball sy Mpanazatra kalaza maro avy amin'ny NBA( National Basketball Association ) sy ireo Teknisiana avy amin'ny FIBA ity. Taorian'ny fiofanana, voasafidin'ireo mpikarakara sy mpampiofana ho "Mpilalao nisongadina nahitana fivoarana indrindra nandritra ny fiofana" izay nosalorana ny Mari-pankasitrahana Mendrika antsoina hoe "MIP - Most Improved Player Award" i Mathias M'Madi, araka ny fampitam-baovaon’ny Federasionina Malagasy amin’ny taranja basikety (FMBB). Tsara ny manamarika fa niara-dia tamin’izy ireo tany an-toerana ny Filohan’ny FMBB. Nisongadina toy izay ihany koa i Lova Andriantsarafara, Kapitenin'ny Ankoay izay tafiditra ho isan'ireo mpilalao voatsonga nanao ny lalao famaranana nandritra ny lalao tsapa hoan'ireo mpandray anjara teo am-pamaranana ny fiofanana. Tsiahivina, fa ny septambra 2021 dia efa voafantina nandray anjara tamin’ny FIBA Africa Camp izay fiaraha-miasan’ny FIBA sy ny NBA i Lovasoa Andriantsarafara. Nisongadina ary tsy nitsanga-menatra noho izany ireo solontena Malagasy nandritra ny fiofanana BWB nandraisan'ireo mpilalao miisa 64 avy amin'ny Firenena Afrikana miisa 26 anjara tao amin'ny Kianja Hassan Moustafa tao Le Caire Renivohitr'i Egypte. Azo heverina fa misokatra ny làlan’izy mirahalahy hilalao any amin’ny NBA na ho ela na ho haingana. Nomarihina sy nohamafisina moa fa 11 hatramin'ny 13 Oktobra 2022 dia hampiantrano ny "REGIONAL YOUTH CAMP" i Madagasikara izay fiofanana Basketball ho an'ireo Tanora hatao ao amin'ny Lapan'ny Tanora sy Fanatanjahantena.
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT