Sport

Bundesliga Alemana Nanampy ara-bola an'ireo ekipa madinika ireo klioba vaventy miisa 4


  • Alakamisy 02 Aprily 2020

Raha miatrika fahasahiranana ara-bola goavana avokoa ny ankamaroan'ireo klioba fanta-daza any Eoropa any ankehitriny ka



voatery nampihena ny karaman'ireo mpilalao ao aminy noho ny fihanaky ny
coronavirus maneran-tany dia hafa noho izany kosa no miseho any
Allemagne fa namory lelavola 20 tapitrisa euros hatao "fond de
solidarité" hanampiana an'ireo klioba marefon'ny Bundesliga sy ny
sokajy D-2 avy amin'izy ireo ny ekipa vaventy 4 any an-toeran toa an'i
Bayern Munich, Dortmund, Leipzig ary Leverkusen. Mbola vonona ny
hanampy an'ireo kliobana baolina kitra matihanina mba hanalefahana ny
vesatra ara-bola mahazo azy ireo  noho ny  fihanaky ny coronavirus.
Tianay hampiseho amin'izao tontolo izao fa fifanohanan'ny rehetra
tokoa  ny baolina kitra amin'izao andro sarotra izao, hoy ny
filohan'ny Bayern Munich, Karl-Heinz Rummenigge.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT