Sport

Boxe Française Savate Nahomby ny fiarahana tamin’ny Kempo


  • Alatsinainy 11 Desambra 2017

Nangotrakaara-bakiteny tokoa ny hetsika« Grand Combat Boxe Française Savate 2017 » notontosain’ny ligin’Analamanga amin’ity taranja ity tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina omaly alahady 10 desambra. Ankoatra ireo fifaninana Boxe Savate nahitana fifanandrinana 10 dia nisongadina ihany koa ny ady Kempo samihafa niisa 6.

 

 Tena nahomby ny hetsika hoy Rakotovao Hary Tiana filohan’ny ligin’ny Boxe Française Savate Malagasy teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina omaly fa tonga namaly ny antso ny vahiny nandrasana ny mpilalao avy any amin’ny ligin’i Vakinankaratra sy ny mpijery maro be. Nahafinaritra, hoy izy, ny Savate Forme notontosain’ny klioba 3Fb ary nahavelom-bolo koa ny fiaraha-miasa tamin’ny taranja Kempo tarihan’i Me Rakotonirina Parfait ka mampanantena izahay,hoy ny mpikarakara fa ho tohizana ny fihaonana tahak’izao miaraka amin’ny fiadiana ny ho tompondaka amin’io taona 2018 ho avy io. Eo am-piandrasana izany aloha dia hatrehanany AGO an’nyligy ho tontosaina amin’ny 15 desambra ho avy izao.

 

Ireo vokatra omaly :

 

Kempo Kids :Lovatiana (Itasy) nandresy an’i Heriniaina (C3ca)

Full Kempo :Tsikivy (TpBca) nandresyan’iTojo (TpBca)

Kempo :Sitrakiniaina (Csla) nandresy an’iHerisoa (Itasy)

M.M.AElite :Heriniaina (Csla) nandresyan’INomena (TpBca)

M.M.A Pro : Jocelyn (Csla) nandresy an’iAndry (Gaam)  ; Toky (TpBca) nandresy an’I Tahiry (Csla).

Savate Kangourou :Ady sahala avokoa ireo lalao 3 : Itokoan (Cjs) – Julio (Sagesse) ;  Rivo (Mkc) – Santatra (Ebi) ; Kiady (Sci) – Baggio (Ebi).

Ireonandresytamin’nySavatetsotrasySavate Pro : Ravo (Ebi), Naina (Ebi), Alain (Vakna), HerizoNivella (A/manga), Vonjiniaina (Vakna), Jean Bernardin (A/manga), Sandrinah (Sct), TokyEmilson (A/maga), Sylvanot (A/manga), Bruno (Vakna), Santatra (A/manga).

 

NtsoavinaEvariste

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT