Sport

Boxe Française Savate – Ligin’Analamanga Hangotraka ny « Grand Combat 2017 » rahampitso


  • Sabotsy 09 Desambra 2017

Hangotraka ny « Grand Combat 2017 » Boxe Française Savate hotontosaina etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina rahampitso alahady 10 desambra tolakandro.

 

Hifanandrina ireo kalaza eo amin’ity taranja ity toa an-dry Jacquinot, Fetison, Zo Noella (Cadet), Hary Nomenjanahary Santatra … Hetsika izay karakarain’ny ligin’ity taranja ity tarihan’ny filohany, Rakotovao Hary Tiana, ary eo ambany fiahian’ny federasion’ny Boxe Française Savate Malagasy tarihan’ny filohany, Campa Amedé sy ny tohan’ny Tournesol Andoharanofotsy. Nambaran’Atoa Hary Tiana fa ho famaranana ny taom-pilalaovana 2017 eto Analamanga sy ho fanatanterahana ny vina napetraka dia ny tsy hatoritorian’ny taranja Boxe Savate intsony ka tsy maintsy hanatanterahana « Gala » 3 isan-taona raha kely indrindra. « Combat » miisa 15 no hatrehana amin’ity hetsika ity izay nanasana ny mpikatroky ny ligin’Alaotra Mangoro sy Vakinankaratra manokana. Hisy ihany koa « combats pancrace sy kempo ary M.M.A miisa 6 hiaraka amin’izany.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT