Sport

Boxe Chinoise Niverina any Frantsa Randriamalaza Jean Christian


  • Talata 16 Janoary 2018

Nandao an’i Madagasikara ka nitodidoha any Frantsa fonenany rehefa nandalo teto andro vitsivitsy (10 andro teo ho eo) ilay Malagasy nibata im-balo ny anaram-boninahitra Tompondaka eran-tanin’ny Boxe Chinoise.

 

Nanatrika ny lanonam-pifampiarahabana ny taona natao teny Iavoloha tamin’ny 5 janoary teo no tena antom-panasan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina azy nefa afaka nanome fiofanana mpikatroka haiady vitsivitsy teto Antananarivo izy taorian’izany ary nitsidika ny tanànan’i Toamasina ka noraisin’ireo manam-pahefana tany an-toerana sy nanolotra fanampiana ara-tsosialy ny traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Ava tao amin’ny Hopitaly Ben’i Toamasina. Ny minisitry ny tanora sy fanatanjahantena Malagasy, Andriamosarisoa Jean Anicet, kosa no nandray azy nivantana tetsy amin’ny trano fiasany tetsy Andohan’Analakely ny sabotsy 13 janoary teo ka nanolotra ho azy taratasim-bola nitentina 2.000.000 ariary avy amin’ny fitondram-panjakana ho fankasitrahana azy noho ny zava-bitany ary mbola nilazany koa ny mbola hanolorana azy ny « médaille sportive » sy ny mari-boninahitra « Chevalier de l’ordre national Malagasy » aoriana kely.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT