Sport

Boxe Chinoise eto Madagasikara Mikarakara hetsika iraisam-pirenena


  • Alakamisy 21 Febroary 2019

Taorian’ny nitsanganan’ny « Commission Malagasy de Boxe Chinoise » tantanin’ny filohany, Ratsimbazafy Tantely ny volana jolay 2018, izay rafitra ao anatin’ny Federasion’ny Ady totohondry

 

 

Malagasy dia hikarakara hetsika voalohany etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ry zareo amin’ny sabotsy 23 febroary 2019 tolakandro.  Lalao iraisam-pirenena izay nanasana mpikatroka boxe chinoise 9 avy atsy amin’ny nosy La Réunion no hatrehana (vavy 2 sy lahy 7) ary koa Ady totohondry tsotra sy Savate Boxe Française hifanandrinan’ny samy mpikatroka Malagasy. Marihina fa herintaona izao no niangalian’ny mpikatroka Malagasy an’ity taranja ity izay miavaka amin’ny ady totohondry tsotra amin’ny fampiasana tongotra maro sy fanaovana « projection » sy « Saisie ». Eo koa ny fanaovana BOJI « fampiasana tongotra sy tanana fotsiny ». 3 minitra in-3 miditra na 3 minitra in-2 miditra no faharetan’ny ady iray ary “gang de boxe » somary manify no hampiasaina. Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny fanatanjahantena sy ny minisiteran’ny fahasalamana ity hetsika ity ary hatrehan’ilay kalaza Malagasy Jean Christian Randriamalaza tompondaka eran-tany in-9 teo amin’ity taranja ity izay mandalo eto an-tanindrazana ankehitriny.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT