Sport

Boribory ny baolina Tsy nampoizina i Madagasikara sy Niger


  • Talata 31 Janoary 2023

Taorian’ny Qatar 2022 dia ity CHAN 2022 atao atsy Alzeria ity indray no nanaporofo mazava fanindroany fa boribory tokoa ity baolina hilalaovana kitra ity.

Taorian’ny nandihizan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea nanoloana an’I Soudan izay resiny 3 noho 0 tany amin’ny lalao isam-bondrona sy I Mozambika izay lavony isa 3 noho 1 teo ampahefa-dalana dia nampitolagaga koa ny sabotsy teo ny zava-bitan-drizareo ekipan’I Niger izay nandresy mazava an’I Ghana tamin’ny isa 2 noho 0 teo amin’ny ¼-dalana hatrany. I Madagasikara sy Niger, izay nosokajian’ireo mpamakafaka fanatanjahantena maro maneran-tany ho isan’ireo mety ho faly handray anjara fotsiny na “petit poucet” amin’ity fiadiana ny tompondakan’I Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra na CHAN 2022 atao atsy Alzeria ity. Ho misitery tanteraka ho an’ireo heverina ho ‘favoris” na heverina ho kalazan’ny fifaninanana tafiditra anaty efa-joro farany dia ny manasa-dalana anefa ankehitriny, izany hoe I Senegal sy Alzeria, ny mety ho afitsok’I Madagasikara sy Niger. Tsiahivina fa I Alzeria hifandona amin’I Niger ary I Senegal hikatroka amin’I Madagasikara no afisin’ity manasa-dalan’ny CHAN 2022 ity. Anio talata izany no fotoana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT