Sport

Bolida sy ny Paris FC Efa any amin’ny Ligue 1 ny ila-tongotra


  • Talata 06 Oktobra 2020

Azo lazaina ho fahombiazana nodimbiasam-pahombiazana hatrany tato ho ato ireo lalao natrehin-dry Lalaina Nomenjanahary na i Bolida sy ny ekipany ao amin’ny Paris FC, divizionina faharoa frantsay.

 

 

Tamin’ny isa mavesatra 3 noho 0 indray ny alahady teo no nandresen-drizalahy an’i Le Havre eo amin’izay fifaninanam-pirenena ho an’ny Ligue 2 ao Frantsa izay. Mitana ny laharana voalohany eo amin’ny fifaninanana, araka izany hatreto ity malagasy ity sy ny Paris FC. Ny Grenoble foot 38, misy ilay Barea, Jérôme Mombris, ihany koa anefa no mitana ny laharana faharoa. Ity farany moa izay miatrika olana noho ny fisiana mpilalao maromaro voan’ny Covid 19 ao aminy ary voatery tsy niatrika ny lalao tokony nataon’izy ireo farany. Tsiahivina hatrany fa ao anatin’izay mpilalao mitondra ny Coronavirus izay i Mombris. Etsy ankilany dia azo lazaina ho efa any amin’ny Ligue 1 kosa izany hatreto aloha ny ila-tongotry ry Bolida sy ny ekipany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT