Sport

Body Perfect 2019 Nizarana 7,9 tapitrisa ariary ireo mendrika


  • Talata 25 Jona 2019

Notontosaina tao amin’ny kianja mitafon’Akorondrano tamin’ny alin’ny sabotsy 22 jona 2019 lasa teo ny fifaninanana Body Perfect 2019 nokarakarain’ny FMB « Federation Malgache de Bodybuilding ».



Nahatratra 48 ireo mpandray anjara teo amin’ny sokajy rehetra izay notolorana lelavola nitentina 7,9 tapitrisa ariary ireo mendrika isaky ny sokajy nandray anjara ka Randrianomenjanahary Fortunat no nibata ny amboara « Vote Public ».
Teo amin’ny sokajy Body Building kosa izay nahazoan’ny voalohany amboara sy lelavola 2 tapitrisa ariary dia 1°-Marinjara Maurice, 2°- Andriamarivo Larry, 3°-Randrianomenjanahary Fortunat, 4°- Ramahavonjy Arnaud Hubert, 5°- Randriaharimanana Jhon Mario.

Teo amin’ny fifaninanana Bodyfit dia tokana ihany ny mpifaninana dia Randriatahiana Nivomananjanahary Zoely izay nandrombaka ny amboara.

Teo amin’ny fifaninanana Miss Bikini dia 1°- Randriamaro Miora Harimalala, 2°- Harry Mananiaina,3°- Rafidison Tombontsoa Cynthia, 4°- Rasoanirina Larissa Mbolatiana, 5°- Ravohitrarivo Leticia Tantely, 6°- Ralisera Vony Mariette Victoria.

Teo amin’ny Men‘s Physique dia 1°- Rabeniaritiana Aina Finaritra, 2°- Andriamahazolaka Marline, 3°- Leonce Anicet, 4°-Rakotovao Jean Pierlin, 5°- Fabrice Lo Tsi Heng, 6°- Jenito Gabriel.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT