Tao anaty hatsiaka sy rivotra mamirifiry no nanaovan’ireo mpihazakazaka valo mandrafitra ny ekipa nasionaly manomanana ny Lalaon’ny nosy fitsapana ny alahady teo. Halaviran-dalana nirefy 119,5km no nitsapana azy ireo niainga teny amin’ny fihaonandalan’Ambohimangakely nihazo an’i Behenjy
, lalam-pirenenena fah-7 ary niverina nihazo an’i By-Pass sy ny RN2 ary nitsofoka nihazo an’Imerinkasinina izay toeram-pahatongavana. Isan’ny tena nitsapana azy ireo moa ny fiakarana be miditra mankany Imerinkasinina. Tafiditra lah-1 i Emile (3.12.20) narahin’i Hasina (3.12.25) samy avy eto Analamanga sy Dama avy any Vakinankaratra (3.12.26), Tafiditra lah-4 Ravoatabia (3.12.40) ary fah-5 i Joharivelo avy any Vakinankaratra (13.30) narahin’i Michel avy eto Analamanga. Nahery vaika ny rivotra nanohitra teny an-dalana izay nahatratra 20km isan’ora. Ny 19 jolay no hanaovana ny fitsapana farany ka mpihazakazaka dimy amin’ireo enina voatazona taorian’iny fitsapana fah-2 omaly iny no ho voatazona farany hiazo an’i la Reunion. Ny RN1 indray no hanaovana io fitsapana fah-3 io izay hiainga eny Ampitatafika PK9.
Rasanda Serge
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.