Sport

Bisikilety – Fitsapana Nisongadina i Emile


  • Talata 12 Mey 2015

Mitohy hatrany ny fanomantena ho an’ireo mpihazakazaka mandrafitra ny ekipa malagasy hiatrika ny Lalaon’ny nosy hatao any la Reunion amin’ny fiandohan’ny volana aogositra izao. Niatrika hazakazaka fitsapana izy ireo ny alahady teo teny amin’ny lalampirenena voalohany

 

iny, nihazo an’Arivonimamo tamin’ny halaviran-dalana nirefy 101km. Tafiditra lah-1 tamin’io i Andrianantenaina Emile izay nahavita fotoana 2.52.00 ary 35km isan’ora kosa ny salan’ny hafainganampandehany nandritra ny hazakazaka. Ratsy fahatongavana kosa Rakotoniaina Marc izay nianjera tamin’ny hazakazaka mafy farany teo ampahatongavana. Ny alahady 17 mey izao indray no hanaovana ny hazakazaka fitsapana manaraka ireo mpihazakazaka manomanana ny Lalaon’ny nosy ireto.

Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT