Sport

Bisikileta – Trophée des As Anisan’ny sivana hifantenana ireo hanao « Tour de Mada »


  • Sabotsy 07 Novambra 2015


Hotanterahina ny faran’ny herinandro izao ny voalohany amin’izany dia ny « Trophée des As » izay hisy karazam-pifaninanana roa. « Course contre la montre individuel » no hatao ny sabotsy izao eny amin’ny By Pass amin’ny halavirana 20km miainga eny amin’ny labatoara Ambohimanambola mihazo an’Ambohimangakely. Hazakazaka rodobe kosa ny alahady izay hatao amin’ny lalam-pirenena faharoa iny amin’ny halavirana mirefy 140km ary hiainga eny amin’ny fihaonan-dalan’Ambohimangakely ka hihazo an’i Marozevo mandroso sy miverina. Saika handray anjara ary hanana solontena amin’io avokoa ireo ligim-paritra rehetra. Herinandro aorian’io indray dia efa raikitra koa ny “Grand Prix de l’amitié » izay hampiasa kosa indray ny lalam-pirenena fah-7 iny. Aorian’izay dia hifantoka amin’ny “Tour de Mada” ireo mpihazakazaka voafantina aorian’ireo fifaninanana roa ireo.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT