Sport

Bisikileta – Tour de Congo Mpihazakazaka enina hiaro ny voninahi-pirenena


  • Alarobia 10 Jona 2015

Hiatrika fanindroany ilay fifaninanana iraisam-pirenena amin’ny hazakazaka am-bisikileta fihodinkodinana an’ny RD Congo indray isika Malagasy. Ekipa iray misy mpihazakazaka enina no hihazo an’i Congo ahitana an-dRakotondrasoa Jean de Dieu na Ravoatabia, Randrianantenaina Emile,

 Randrianambinina Roger, Hasina Gilbert, Joharivelo Andrianjaka ary i Miarantsoa Njakatiana Dama. Tsiahivina fa lah-3 tamin’ireo firenena 17 nandray anjara isika Malagasy tamin’ny andiany tamin’ny taon-dasa. Mikasika ny fifaninanana dia ny 15-24 jona no hizoran’izy io ary misy dingana valo izay mirefy 800km latsaka kely. Efa nisongadina tamin’ny andiany 2014 io i Emile izay nandrombaka dingana iray. Ny alakamisy 11 jona izao no hanainga ny delegasiona malagasy. Mikasika ireo hetsika eto an-tanàna kosa dia hotanterahina ny alahady maraina izao manomboka amin’ny 10 ora eny amin’ny Marais Masay ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga ka voakasik’izany ny sokajy “senior” izay hiatrika ny halaviran-dalana 80km sy ny “cadet” izay hiatrika ny 40km. Taorian’ireo fitsapana nifanesisesy tamin’ny fihanihana havoana dia ny fitsapana ny hafainganam-pandeha amin’ny lalana marindrano indray izao no himasoan’ny ligin’Analamanga araka ny nambaran’i Naly filohany.

Rasanda Serge

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT