Sport

Bisikileta – Lalaon’ny nosy Nodinganin-dRavoatabia i Emile


  • Alarobia 20 Mey 2015

Mitohy hatrany ny hazakazaka fitsapana ireo mandrafitra ny ekipam-pirenena manomana ny Lalaon’ny Nosy izay hatao any la Reunion amin’ny volana aogositra. Halavirana nirefy 100km indray no nisedrana ireo mpihazakazaka ka teny amin’ny tampon’Imerikasinina no toerana fahatongavana

. Taorian’ny nampisongadina an’Andrianantenaina Emile tamin’ny fitsapana teo aloha dia tafiditra lah-1 tamin’ity indray mitoraka ity Rakotondrasoa Jean de Dieu (Ravoatabia) nahavita fotoana 2.49.36. Tonga iray minitra mahery taty aoriany i Emile nahavita fotoana (2.51.02). Niady mafy ny lah-4 sy fah-5 kosa ary tafiditra aloha Randrianarimanana Bruno (2.52.00) narahin-dRandriamananjara Radoson (2.53.05). Mbola hitohy hatrany moa ny fitsapana toy izao mandritra ny telo volana faran’ny fanomanantena.

Rasanda Serge


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT