Sport

Bisikileta – Federasiona Hofantenana amin’ny « Trophée des as » sy ny « GP de l’amitié » ireo hanao « Tour de Mada »


  • Sabotsy 24 Oktobra 2015

Taorian’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara natao tamin’ny volana jona dia mbola hisy fifaninanana miendrika nasionaly roa voalahatra ao anatin’ny tetiandron’ny federasiona malagasin’ny hazakazaka am-bisikileta alohan’ny “Tour de Madagascar” amin’ity taom-pilalaovana ity.

 

 Efa fifaninanana fanao isan-taona ihany izy ireo dia ny “Trophée des as » sy « Grand Prix de l’amitié » izay misokatra ho an’ireo mpihazakazaka avy amin’ireo ligim-paritra rehetra misy. Akaiky indrindra amin’ireo ny « Trophée des as » izay hatao ny 7-8 novambra izao. “Course contre la montre individuel” mirefy 20km hatao eny amin’ny By Pass no voalahatra ny sabotsy 7 novambra ary “course en ligne” amin’ny halavirana mirefy 140km hatao amin’ny lalam-pirenena fah-2 kosa ny alahady 8 novambra. Herinandro aorian’io indray dia handeha ny “Grand Prix de l’amitié » izay hatao ny 13, 14, 15 novambra ary mahatratra 418km ny halavirana hodiavin’ireo mpifaninana mandritra ny telo andro. Hazakazaka roa no voalahatra ny zoma 13 novambra. 68km ny maraina hampitohy ny renivohitra amin’Ambatolampy. 100km kosa ny tolakandro izay hampitohy an’Ambatolampy amin’Antsirabe. Hazakazaka roa ihany koa ny sabotsy 14 novambra. Hampitohy an’Andranomanelatra sy Sambaina ary mirefy 20km ny maraina. Ny tolakandro kosa Sambaina miverina eto Antananarivo amin’ny halavirana 140km. Fihodinkodinana ny farihin’Anosy amin’ny halavirana mirefy 90km no hamarana ity fifaninanana ity izay hatao ny alahady 15 novambra tolakandro. Marihina fa ireo fifaninanana ireo no hifantenana ireo handrafitra ny ekipa malagasy hiatrika ny “Tour de Mada” andiany fah-12 izay hatao ny 3-13 desambra.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT