Sport

Bisikileta Azon’i Herizo ny “piste”, lasan’i Firmin ny “VTT”


  • Talata 23 Martsa 2010


Niara-nikarakara fifaninanana nentina nanokafana ny taom-pilalaovana 2010 ireo seksiona efatra eto Analamanga nahitana an’Antananarivo renivohitra, Avaradrano, Atsimondrano ary Ambohidratrimo niaraka tamin’ny Dolly Production izay mpikarakara hetsika ara-panatanjahantena. Fihodinkodinana ny farihin’Anosy no hetsika nokarakarain’izy ireo ny alahady maraina teo izay nahitana sokajim-pifaninanana maro. Nandrombaka ny laharana voalohany teo amin’ny piste Rabemananjara Herizo (Colas) narahin-dRakotohasimbola Céléstin (Colas). Marihina fa najanona ny fifaninanana izay tokony ho fihodinana in-30 ny farihy rehefa tratran’izy mirahalahy ireo ny andian’ireo mpihazakazaka (peloton) teo amin’ny fihodinana faha-27. Very anjavony tany anaty peloton moa ry Ravoatabia tamin’io fifaninanana io. Nandrombaka ny laharana voalohany tamin’ny Vtt izay in-20 mihodina ny farihy kosa Randimbiarison Firmin (Ostie) izay nahavita fotoana 1 :00 :14. Ankoatra ireo dia nisy ihany koa ny sokajy veteran izay lasan’i Pascal, ny super veteran nosaloran’i Elodie (UCM) ary ny Cadet azon’i Tifana (CCAMI). Afaka tapa-bolana indray ny fifaninanana manaraka hokarakarain’ity vondrona seksiona ity ka course en ligne hivoaka ny faritra izy io.

Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT