Sport

Bisikileta – 12e Tour de Mada Lasan’i Houlder Mohamed ny akanjo mavo


  • Alatsinainy 14 Desambra 2015

Norombahan’ilay malagasy Houlder Dino Mohamed ao amin’ny ekipa Canal+ ny akanjo mavo tamin’ny andiany fah-12 amin’ilay fifaninanana iraisampirenena amin’ny hazakazaka am-bisikileta « Tour de Mada ».

 Izy no tafavoaka lah-1 ankapobeny taorian’ireo dingana folo nifaninanana ka nahavitany fitambarana fotoana 27.43.04. Lah-2 ilay frantsay Vincent Graczyk ao amin’ny ekipa PMU (+2.58) ary lah-3 Randrianantenanina Nambinintsoa ao amin’ny ekipa BOA (+6.42). Ity farany ihany koa no mpihanika havoana henjana indrindra tamin’ity andiany 2015 ity. Ilay malagasy Andriamirado Njaratiana ao amin’ny ekipa malagasy A BOA kosa no tafiditra lah-1 tamin’ny dingana farany fihodikodinana ny farin’Anosy omaly. 2.03.50 no fotoana nahavitany ny halavirana 90km ary 43,607km/ora no salan’ny hafainganam-pandehany. Ilay frantsay Didier Langlois avy amin’ny ekipa PMU no tafiditra fah-2 saika naira-niditra tamin’i Njaratiana ary lah-3, ilay frantsay Eddy Beranger (2.05.23).

Rasanda Serge


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT