Sport

Big Soma Village 2 Mangotrakotraka ao Mahajanga


  • Sabotsy 29 Aogositra 2015

Miakatra hatrany ny maripana ao Mahajanga ao! Notontosaina omaly folakandro ny “carnaval” goavana mariky ny fanombohan’ny dingan’ny famaranana amin’ilay hetsika “Big Soma Village andiany faharoa

 

. Niainga teo amin’ny sekoly Notre Dame omaly ny Carnaval nitety ny renivohitr’i Boeny niafara teny amin’ny Soma Beach nahitana ny fandraisana anjaran’ireo mpandray anjara isan-taranja amin’ny beach soccer, beach volley, baskety lalaovin’olona telo, … Efa hiditra amin’ny dingan’ny famaranana anio sabotsy ireo fifaninanana samihafa harahin’ireo fampisehoana sy fanentanana samihafa. Mikasika ny fandaharam-potoana anio. Hanokatra ny fotoana manomboka 6 ora sy sasany maraina ny fiarahana manao zumba eny amin’ny Soma beach Village. Aorian’io manomboka amin’ny 8 ora sy sasany ny manasadalan’ny beach soccer sy baskety lalaovin’olona telo ary ny lalao karatra. Ny tolakandro kosa no hanaovana ny manasadalan’ny beach volley hoan’olon-tsotra sy ny volley ho an’ireo ekipan’ny orinasa. Ny folakandro manomboka amin’ny 5 ora sy sasany no hanomboka ny fampisehoana hiarahana amin’ny Samoela. Aorian’io dia mbola hisy ny fifaninanana Miss sy Mister ary ny Miss Bandrea (fifaninanana andriambavilanitra be fitombenana). Hanakatona ny fotoana anio hariva kosa ny fampisehoana hiarahana amin’i Din Rotsaka. Rahampitso alahady no tena famaranana goavana amin’ireo hetsika rehetra ireo ahitana ny tapakandro maraina ny famaranan’ny beach volley, baskety lalaovin’olona telo, lalao karatra. Ny tolakandro kosa hisy ny Match de gala amin’ny baskety, ny famaranan’ny beach soccer ho an’ireo fokontany sy ireo ekipa sangany. Hofaranana amin’ny fampisehoana hiarahana amin’i Jazz MMC sy Jerry Marcos moa ny fotoana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT