Sport

Big Soma An’arivony ireo nanao “carnaval” fanokafana


  • Alatsinainy 03 Aogositra 2015

Nahatratra an’arivony ireo nandray anjara tamin’ny “carnaval” fanokafana ny “Big Soma” natao ny sabotsy teo tany Mahajanga izay niainga teo amin’ny lapan’ny Tanŕna, nandalo an’i Mahabibo ary nifarana teny amin’ny Village Touristique.

 

Nandray anjara tamin’izany ireo mpianatry ny oniversite izay anisan’ny mpikarakara miaraka amin’ny kaominina, nahitana koa ireo mpilalao baskety lahy sy vavy hiatrika ny fifaninanana baskety lalaovin’olon-telo. Vao nanaovana kianja eo amoron-dranomasina mihitsy moa ity taranja ity izay hanaovana koa ny fifaninanana “dunk” sy tifitra ahazoana isa telo. Ny fampisehoan’i Jean Aimé teo amin’ny torapasika no namarana ny lanonam-panokafana. Efa natomboka ihany koa ny fifanintsanan’ny beach soccer ho an’ireo ekipa 64 avy amin’ny fokontany. Ny 28-30 aogositra izao moa no hanaovana ireo famaranana rehetra isan-taranja. Efa tonga any an-toerana koa ireo mpilalao beach soccer reniôney hifandona amin’ny ekipa voafantin’i Boeny, Menabe ary Atsinanana. “Tanjona ny fitaizana ireo tanora izay tsapa fa lasa goragora ka ny fanatanjahantena no lalana akaiky hanarenana izany mba ahazoana olom-pirenena mandray andraikitra sahy miatrika ny fiainany”, araka ny nambaran’ny filoha mpanorina ny fikambanana Soma Beach, Robimanana Orlando.

Rasanda Serge

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT