Betafo

Renivohitry ny baolina kitra mandritra ny hateloana


  • Alakamisy 28 Desambra 2023

Raha ny baolina kitra no maha mpanankarena efa ela i Betafo no milaridera.

Taorian'ny Open nokarakarain'ny solombavambahoaka Dr Lova Fiarovana mantsy dia izao indray fa misy ity Katita Milalao karakarain'ny klioba Disciples nanomboka omaly ity. Vory lanona ny lafivalo satria ahitana mpandray anjara avy any Ambositra sy Antananarivo miampy ireo manodidina toa Ambohibary sy Antsirabe ary Betafo mazava ho azy. Fety be izay nosokafan-dRamatoa Ravakiniaina, lehiben'ny Distrika Betafo. Ekipa tsy latsaky ny 30 no mandray anjara amin'ny sokajy latsaky ny 10 taona ka hatramin'ny 17 taona miampy ireo sokajy zokiny ao amin'ny diviziona voalohany. Ny tena mahafaly dia maro be ireo sekolin'ny baolina kitra no mandray anjara toa ny FAV avy Antsirabe izay entin'i Jean Marie ilay efa mpanazatra ny ekipam-pirenena fony mbola Scorpions.Aty an-toerana koa ny kapitenin'ny Scorpions, Mamisoa Razafindrakoto izay mitondra ny Dignitas.Tsara ity ezaky ny Disciples ity indrindra fa raha misy teknisianina avy amin'ny Federasiona satria izao no fotoana hijerena ireo mpilalao mendrika arahi-maso. Tsetsatsetsa tsy aritra no hikazana eto fa Didier Deschamps sy Marcel Dessailly izay tompondaka eran-tany 1998 dia efa niaraka nandrafitra ny FC Nantes U13. Dia io ny vokany.
ENCADRE
Toy izao ireo voka-dalao nandritry ny andro valohany ny Katita Milalao tany Betafo U9 : Disciples FC 1 sy Dignitas 1 sy 1 ; FFB# Disciples 2....3 noho 2 U11 : FAV # Requin...0 sy 0 DAM Ambohibary # CFFB...3 noho 1 Dignitas # Disciples FC...2 noho 0 FFJA # AS Valahara...2 noho 1 U13 : FFJA # Requin...3 noho 0 To Sportif # FAV...0 sy 0 Hero Sport # Disciples FC 1 noho 0 ; Dignitas # JSA...1 noho 0 U17 : DAM Ambohibary # To Sportif...0 noho 0 FF3A # Ajax City...0 sy 0 Hero Sport # Lynx...1 noho 0 QFC # Antanambao...0 noho 0 Disciples FC # Requin 0 sy 0 FFJA # JSA...1 sy 1 Seniors Etoile Rouge # Lynx 5 noho 0 Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT