Sport

Betafo Antsirabe Am-perinasa ny “Ecole de Foot-ball FIBEMIH”


  • Zoma 06 Jolay 2018

Fanomeza-tanana ny mpiara-belona amin’ny fanampiana ara-tsosialy sy ara-panabeazana ary fampiofanana isan-karazany ny tanora no nimasoan’ny FIBEMIH na ny FIkambanan’i BEtafo MIray Hina, tao anatin’ny 14 taona nijoroany.

Fantatra izao fa efa manana ny ivontoerana azy manokana ity fikambanana ity ankehitriny dia ny  “CENTRE FIBEMIH” ao Imerimandroso Atsinanantsena Betafo izay hanatanterahana ny hetsika fanampiana ara-tsosialy rehetra ataony ao amin’ny distrikan’i Betafo Antsirabe. Tao, ohatra, no nanatanterahan-dry zareo ny fifaninanan-kira sy dihy natokana ho an’ny ankizy 5-12 taona tamin’ny fetim-pirenena farany teo. Nambaran-dRatiariniaina Jean Théobert na Rathéo filohany koa, izay miezaka samirery manatontosa ireo hetsika karakarain’ny Fibemih hatreto, fa efa tena am-perinasa tanteraka koa amin’izao fotoana izao ny “Ecole de foot-ball Fibemih” nantsangan’izy ireo ka efa nandray anjara tamin’ny “Tournoi Foot à 7 sy à 9” nokarakarain’ny Fibemih tao amin’ny Oratorio Don Bosco farany teo.

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT