Sport

Beryl Razafindrainony voasazy mandra-pahafaty Tsy mbola naharay taratasy manameloka azy izany


  • Alarobia 08 Mey 2019

Tsy menatra sady tsy malahelo amin’ny fanamelohana tsy mitombina atao amiko aho dia ny hoe voasazy mandra-pahafaty tsy hikitikitika lalao tsipy kanetibe intsony,

 

  hoy Razafindrainony Béryl filohan’ny Federasion’ny taranja tsipy kanetibe Malagasy, raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety  tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina izy omaly talata 07 mey 2019. Nambarany fa niakatra  CODIS  an’ny Federasiona Iraisam-pirenen’ny Tsipy kanetibe tany  Espagne ny tenany tamin’ny 01 mey  2019 lasa teo ka nitondra fanazavana tamin’ireo fiampagana roa nihatra taminy dia  voalohany ny hoe fanaovana  “Maleversation” anatrehan’ireo mpilalaontsika any ivelany any nefa dia niatrika ny CODIS  tao koa Atoa Jean Luc Razafindrabe izay nifanaraka tamin’ny federasion’ny Tsipy kanetibe Frantsay sy ny federasiona iraisam-pirenena mivantana  rehefa manafatra  mpilalao ho any ivelany any ary faharoa ny hoe fanaovany “corruption passive” tamin’ny nandraisany vola kolikoly tamin’ny filohan’ny federasion’ny tsipy kanetibe avy any Maroc  tany amin’ny AG  natao tany Canada izay tsy natrehany akory. Misy fatahorana amin’izay ho kandida hifanandrina  aminy eo amin’ny toeran’ny filohan’ny federasion’ny tsipy kanetibe iraisam-pirenena  ho avy eo amin’Atoa Azema filoha am-perinasa ka mamoaka antotan-taratasy tsiambaratelo izy amin’izany. Raha  hampahalalana an’izany sazy mihatra amiko izany aho, hoy Atoa Béryl, dia hiaro ahy ny mpisolovava atolotry ny “Groupe de Rabbat” misy ahy ary hampakatra ny raharaha any amin’ny fitsarana  spaoro maneran-tany “TASS” ny tenako amin’izay ary hitory ihany koa an’ity filohan’ny federasion’ny tsipy kanetibe maneran-tany ity miaraka amin’ny fitondrana Maraokanina.  Aoka isika Malagasy, hoy izy,  teo  am-pamaranana tsy   ho marivo salosana ka hanaiky hampiadian’ny olona.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT