Benony Jacques

"Aza potehina ireo nimatimatesanay"


  • Alarobia 20 Septambra 2023

Nivoaka ny fahanginana indray ny filohan'ny federasionan'ny baolina kitra teo aloha, Benony Jacques.

Mampanahy hoy izy ny fifidianana izay ho filohan'ny FMF izay hatao ny volana oktobra izao raha ny zava -misy amin'izao no jerena. Misy izany kandidam-pajakana izany ary misy koa ireo filohan'ny ligy izay efa miseho ho fanta-bahoaka fa manohana kandida iray. Mbola hita koa ireo kandida nidina tany ifotony nanohana kandida izay nilatsaka ho filohan'ny ligy. Betsaka ny zavatra tsy mandeha amin'ny laoniny ka raha tokony ho izy dia tokony ahemotra amin'ny fotoana mahamety azy ity fifidianana ity mba hisian'ny tena filamilamina sy safidy mifanaraka amin'ny tena filana ary olona tia ny baolina kitra sy mahafehy ny asa. Aoka tsy ho potehina ny zavatra nimatimatesanay nanomboka ny taona 1987 ka nahazoan'ny baolina kitra birao hiasana malalaka tsy nisy teritery ary indrindra indrindra tsy tafiditry ny politika, hoy ihany i Benony Jacques. Mila olona afaka miaro ny baolina kitra malagasy ary tsy mila mpandika teny fa mahafehy tsara ny teny frantsay sy anglisy, hoy ihany izy namaranana ity tsetsatsetsa tsy aritra nateraky ny fitiavana baolina kitra malagasy.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT