Sport

Beach volley – Afrika faritra fah-7 Hatao any Mahajanga amin’ny volana jolay


  • Zoma 20 Mey 2016

Raikitra fa hatao eto Madagasikara amin’ny 8-10 jolay ny andiany voalohany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika faritra fah-7 amin’ny beach volley.

 Any Mahajanga eny amin’ny Soma beach village no hanatanterahana ny fifaninanana mandritra ireo telo andro ireo. Marihina fa efa tokony ho tamin’ny faran’ny volana martsa no nanaovana ity fifaninanana iraisam-pirenena ity izao nahemotra izao. Mikasika ireo daty hafa tsara hotadidiana ao anatin’ny tetiandron’ny federasiona, hatao eto Antananarivo ny 17-27 aogositra ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena sokajy U18 zazavavy. Ho an’ny fifaninanana nasionaly dia hotanterahina ny 3-10 septambra ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara sokajy “senior” lahy sy vavy ary hatao eto Antnanarivo ny 31 aogositra hatramin’ny 7 septambra ny “Open national” sokajy zandriny U16 sy U19 zazalahy sy zazavavy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT