Nifarana teo amin’ny lalaom-bondrona ny dian’ny Barea Soccer eo amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika 2018 amin’ity taranja ity.
Ny lalao fiadian-toerana faha-5 hikatrohana amin’i Tanzanie anio alarobia 12 desambra sisa hatrehany. Rehefa niondrika teo anatrehan’i Egypte mpampiantrano tamin’ny alatsinainy 10 desambra 2018 ny ekipam-pirenena Malagasin’ny Beach Soccer dia mbola resin’Maroc ihany indray omaly talata 11 desambra teo amin’ny lalao fanintelony natrehany ao amin’ny Vondrona A misy azy. Egpyte sy Maroc ao amin’ny vondrona A ary Sénégal sy Nigeria ao amin’ny vondrona B no hiatrika ny lalao manasa-dalana amin’ity fifaninanana ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.