Sport

Beach soccer – Mondial Nangoron’entana ny Malagasy


  • Alarobia 15 Jolay 2015

Niafara tany amin’ny lah-4 tao amin’ny vondrona D nisy azy i Madagasikara tamin’ny fandraisan’anajarany voalohany amin’ny fiadiana ny amboara erantanin’ny baolina kitra lalaovina amin’ny torapasika izay atao any Espinho Portugal

 

. Omaly moa ny andro fah-3 faran’ny fifanintsanana. Nibaby faharesena fah-3 ny Barea taorian’ny nandavoan’i Paragoay, solontenan’i Amerika atsimo azy. Marihina adin’ny ekipa samy efa nihintsana izy io fa nentina niadiana ny lah-3 fotsiny. Ry zareo paragoaianina no nanokatra ny isa tamin’ny alalan’i Pedro Moran (10’). Tsy ela taorian’io dia nanasahala ny isa Rasolomandimby Bernardin (12’). Nahatafiditra baolina roa indray ny amerikana tatsimo toarian’io tamin’ny alalan’i Juan Lopez (16’) sy i Jesus Rolon (25’) ary nitarika 3-1. Nanao pao-droa ary nampihena ny elanelan’isa i Berbardin (25’). Mbola nahafaty baolina fah-4 anefa avy eo i Paragoay ka i Moran ihany no tompo-marika tamin’izany (26’). Mangoron’entana ara-bakiteny ny Malagasy ary hiverina an-tanindrazana ka higadona eny Ivato ny zoma 17 jolay izao amin’ny 6 ora sy sasany maraina.

Rasanda Serge


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT