Sport

Beach soccer – Mondial Nanaovan’ny Barea fanazarantena ny ekipan’i la Reunion


  • Alarobia 24 Jona 2015

Niatrika lalao fitsapana roa tany la Reunion ny faran’ny herinandro teo tafiditra amin’ny fanomanana ny fiadiana ny amboara erantany hatao any Espinho Portugal (9-19 jolay). Nihaona ara-pirahalahiana tamin’ny ekipa voafantin’i la Reunion ny Barea ka nandresy hatrany.

 

 Ny sabotsy dia nandresy tamin’ny isa mavesatra 5-0 ka tompomarika tamin’ny fampidiram-baolina i Ymelda, Dadah, Anderson ary nanao pao-droa i Toky, mpilalao mendriky ny fiadian ny tompondakan’i Afrika tany Seisela. Mbola nandresy mazava 5-2 koa ny alahady teo ka nifandimby nampiditra ireo baolina ireo i Shinah, Pierralit, Bernardin, Ymelda ary Dadah. Hiverina an-tanindrazana ny alakamisy izao ny delegasiona malagasy ary hanohy ny fanomanantena eto andrenivohitra hanao ny fanazarantenany eny amin’ny Urban Futsal eny Andraharo ny 27 sy 28 jona izao. Ny 29 jona dia hanainga hiazo an’i Marseille Frantsa hiatrika lalao fitsapana roa hafa ary hihaona indray amin’ny ekipan’ny Marseille Beach Club ny 4 sy 5 jolay. Aorian’io dia hiazo avy hatrany an’i Portugal. Ny 10-14 jolay moa no hanaovana ny fifanintsanan’io Mondial io ka hifandimby hifanintsana amin’i Tahiti, Rosia ary Paragoay izay iray vondrona amin’i Madagasikara.

Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT