Sport

Beach soccer – Mondial Lavon’i Rosia koa i Madagasikara


  • Alatsinainy 13 Jolay 2015

Notapahan’i Rosia ny nofinofy hiatrika ny dingan’ny famaranan’ny fiadiana ny amboara eran-tany amin’ny baolina kitra lalaovina amin’ny torapasika izay atao any amin’ny torapasik’i Espunho Portugal.

 

 Taorian’ny efa nandavoan’i Tahiti antsika malagasy (3-4) tamin’ny lalao voalohan’ny vondrona D ny zoma teo dia niondrika teo anatrehan’i Rosia, tompon’ny anaramboninahitra tamin’ny isa 4-2 indray omaly ny Barea tamin’ny andro fah-2. Efa nitarika mazava 3-0 ry zareo rosianina tany am-piandohana ka tompomarika tamin’ny fampidiram-baolina i Ilya Leonov (5’) niampy ny pao-droan’i Kirill Romanov (6’, 8’). Taorian’io no niezaka nanenjika ny Barea ary nahafaty baolina roa tamin’ny alalan-dRasolomandimby Bernardin (16’) sy Randriamampandry Tokindrainy (18’). Mbola nahatafiditra baolina fah-4 ho an’ny rosianina i Yury Krasheninnikov (34’). Mbola hihaona amin’i Paragoay moa i Madagasikara rahampitso talata, andro faran’ny fifanintsanana izay tsy hamerina ny tapakilan’ny ampahefa-dalana efa votsotra intsony.

Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT