Sport

Beach soccer – Mondial Hifanandrina amin’i Tahiti anio i Madagasikara


  • Zoma 10 Jolay 2015

Efa raikitra nanomboka ny alakamisy teo ny fiadiana ny amboara erantany amin’ny baolina kitra lalaovina amin’ny torapasika izay atao any amin’ny torapasik’i Espinho Portugal (9-19 jolay)

 

. Hiatrika ny lalaony voalohany anio ny Barea ary hifandona amin’i Tahiti. Ara-taratasy dia manatombo i Madagasikara, tompondakan’i Afrika izay lah-19 manerantany raha lah-33 io ekipa hifanehatra aminy voalohany io. Anio amin’ny 6 ora hariva ora malagasy no hanomboka io fihaonana io. Ny alahady 12 jolay amin’ny 4 ora sy sasany tolakandro kosa ny Barea dia hihaona amin’ny rosianina izay tompon’ny anaramboninahitra farany ary ny talata 14 jolay amin’ny 6 ora hariva ny lalao fah-3 farany ao anaty vondrona hifanandrinana amin’i Paragoay, solontenan’i Amerika atsimo. Marihina fa mila tafiditra laharana roa voalohany isika Malagasy vao afaka hahazo ny tapakilan’ny dingan’ny famaranana.

Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT