Sport

Beach soccer – Mondial Hanomantena any La Réunion sy Marseille


  • Zoma 22 Mey 2015

Matipaika ny fanomanantenan’ny Barea izay hiatrika ny fiadiana ny tompondaka erantany any Portugal. Hiondrana any La Réunion sy Marseille mihitsy izy ireo hiatrika lalao fitsapana.

 


Efa tonga tany Mahajanga ny alakamisy teo ny Barea hanomana ny fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny baolina kitra amin’ny torapasika izay hatao any amin’ny torapasik’i Espinho Portugal ny 9-19 jolay izao. Mpilalao 19 no nihazo an’i Mahajanga hanaraka ny fampivondronana tarihin’ilay mpanazatra frantsay Claude Barrabé. Nafana ny fandraisana ireto tompondakan’i Afrika ireto omaly izay nofaranana tamin’ny lanonana fiaraha-misakafo tao amin’ny Roche Rouge. Efa matipaika ny fandaharam-potoana amin’ny fanomanantena. Any Mahajanga izy ireo ny 18 mey hatramin’ny 14 jona. Hihazo an’i la Réunion  kosa ary hiatrika lalao fitsapana roa ny 17-25 jona ka ny 20 sy 21 jona dia hihaona amin’ny ekipan’i la Réunion. Aorian’io dia hiverina eto Antananarivo indray ka hanao fanazarantena ao amin’ny Urban Futsal ny 27-28 jona. Aorian’izay dia hihazo an’i Marseille ny 29 jona ary hanomantena any ny 30 jona hatramin’ny 5 jolay. Hihaona amin’ny ekipan’ny Marseille Beaxh club ny 4 sy 5 jolay. Ny 6 jolay ny Barea no hihazo an’i Portugal. Mikasika ny fandaharan-dalaon’ny Mondial dia hihaona amin’i Tahiti i Madagasikara ny 10 jolay, hifandona amin’i Rosia tompon’ny anaramboninahitra ny 12 jolay ary hifanandrina amin’i Paragoay ny 14 jolay. Ny 16-19 jolay kosa no hanaovana ny lalao fiadian-toerana sy ny dingan’ny famaranana.

Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT